Bokin'i Ezekiela 36:17
Ry zanak’ olona, ny taranak’ Isiraely nonina tany amin’ ny taniny, dia nandoto izany tamin’ ny fanaony sy tamin’ ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan’ ny vehivavy mararin’ ny fadim-bolana no fahalotoan’ ny fanaony eo anatrehako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Read all of Bokin'i Ezekiela 36
Cross References
Leviticus 18:24Aza mandoto ny tenanareo amin’ izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
Numbers 35:33Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin’ ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin’ ny ran’ izay nandatsaka azy ihany.
Psalms 106:39Ary naloto tamin’ ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
Isaiah 64:6Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.
Jeremiah 3:1Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin’ olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.
Jeremiah 16:18Alohan’ izany anefa dia hovaliako avy sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko, dia ny namenoany ny lovako tamin’ ireo fatin’ ny sampiny sy fahavetavetany ireo.