The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 36 › Bokin'i Ezekiela 36:32

Bokin'i Ezekiela 36:32

Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak’ Isiraely.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Not for your sakes do I this, saith the Lord GOD, be it known unto you: be ashamed and confounded for your own ways, O house of Israel.

In Context

31Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.

33Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin’ ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin’ ny tanana, ary haorina indray ny efa rava.

Read all of Bokin'i Ezekiela 36

Cross References

Deuteronomy 9:5Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.

Ezekiel 16:61Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan’ ilay nanaovako fanekena taminao aza.

Ezekiel 36:22Koa atsovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak’ Isiraely, fa noho ny anarako, masìna, izay nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa izay nalehanareo.

Romans 6:21Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin’ izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran’ izany zavatra izany.

Titus 3:3Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 36:32

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 36:31Bokin'i Ezekiela 36Bokin'i Ezekiela 36:33 →