Bokin'i Ezekiela 38:13
Sheba sy Dedana ary ny mpandranton’ i Tarsisy rehetra mbamin’ ireo lionany tanora rehetra dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 38
Cross References
Psalms 57:4Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy. [Sela.] Eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
Jeremiah 15:13Ny fanananao sy ny rakitrao ao anatin’ ny fari-taninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao;
Jeremiah 51:38Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
Ezekiel 25:13Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin’ i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon’ ny sabatra hatrany Dedana.
Ezekiel 27:15Ny terak’ i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin’ ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao.
Ezekiel 27:22Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.