The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 39 › Bokin'i Ezekiela 39:10

Bokin'i Ezekiela 39:10

fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an’ ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah Tompo.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

So that they shall take no wood out of the field, neither cut down any out of the forests; for they shall burn the weapons with fire: and they shall spoil those that spoiled them, and rob those that robbed them, saith the Lord GOD.

In Context

9Ary hivoaka ny mponina ao amin’ ny tanànan’ ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;

11Ary amin’ izany andro izany dia homeko tany eo amin’ ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan’ ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana ny mpandalo izany; ary any no handevenany an’ i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan’ ireo olona maroben’ i Goga.

Read all of Bokin'i Ezekiela 39

Cross References

Exodus 3:22fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin’ ny miray monina aminy sy amin’ izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin’ ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.

Isaiah 14:2Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak’ Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin’ ny tanin’ i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.

Micah 5:8Aoka haingaina amin’ ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.

Habakkuk 3:8Moa amin’ ny ony va no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah? Amin’ ny ony va no ahatezeranao, Na amin’ ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao?

Zechariah 14:14Ary ny Joda koa hamely an’ i Jerosalema, ary hovorina ny haren’ ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka.

Revelation 13:10Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin’ ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin’ ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ ny olona masìna.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 39:10

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 39:9Bokin'i Ezekiela 39Bokin'i Ezekiela 39:11 →