Bokin'i Ezekiela 39:23
Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak’ Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan’ ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.
Read all of Bokin'i Ezekiela 39
Cross References
Deuteronomy 31:17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
Deuteronomy 32:20Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.
Judges 2:14Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
2 Chronicles 7:21Ary na dia avo aza ity trano ity, dia ho fitalanjonan’ izay rehetra mandalo azy ka hatao hoe: Naninona re no dia nataon’ i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
Psalms 10:1Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ ny andro fahoriana?
Psalms 106:41Dia nanolotra azy teo an-tànan’ ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.