Bokin'i Ezekiela 39:24
Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 39
Cross References
Leviticus 26:24Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
2 Kings 17:7Ary ny nahatongavan’ izany dia noho ny nanotan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ho afaka tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy
Isaiah 3:11Lozan’ ny ratsy fanahy! hiharan’ ny ratsy izy, Satria ny valin’ ny nataon’ ny tànany ihany no hanody azy.
Isaiah 59:17Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
Jeremiah 2:19Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian’ ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Jeremiah 5:25Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.