Bokin'i Ezekiela 39:27
rehefa ampodiko avy any amin’ ny firenena izy ary angoniko avy any amin’ ny tanin’ ny fahavalony; ary hiseho ho masìna eo imason’ ny jentilisa Aho amin’ ny ataoko amin’ ireny;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 39
Cross References
Isaiah 5:16Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no hisandratra amin’ ny fitsarana, Ary Andriamanitra masìna dia hiseho ho masìna amin’ ny fahamarinana.
Ezekiel 28:25Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin’ ny firenena izay nampielezana azy ny taranak’ Isiraely, dia hiseho ho masìna eo imason’ ny firenena Aho amin’ ny ataoko aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an’ i Jakoba mpanompoko izy.
Ezekiel 37:21Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak’ Isiraely avy any amin’ ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin’ ny taniny:
Ezekiel 38:23Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Ezekiel 39:25Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin’ ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak’ Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin’ ny anarako masìna Aho.