The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 39 › Bokin'i Ezekiela 39:7

Bokin'i Ezekiela 39:7

Ary ny anarako masìna dia hataoko fantatra ao amin’ ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masìna; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masìna ao amin’ ny Isiraely.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

So will I make my holy name known in the midst of my people Israel; and I will not let them pollute my holy name any more: and the heathen shall know that I am the LORD, the Holy One in Israel.

In Context

6Ary haterako afo Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

8Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.

Read all of Bokin'i Ezekiela 39

Cross References

Exodus 20:7Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.

Isaiah 12:6Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ ny Isiraely.

Isaiah 43:14Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin’ ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin’ ny sambo izay efa nifaliany.

Isaiah 60:9Fa Izaho no andrasan’ ny nosy, ary ny sambon’ i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao sy ho an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.

Ezekiel 20:9Kanefa niasa noho ny amin’ ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason’ ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin’ ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.

Ezekiel 20:39Ary ny aminareo, ry taranak’ Isiraely, izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masìna intsony amin’ ny fanatitrareo sy amin’ ny sampinareo.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 39:7

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 39:6Bokin'i Ezekiela 39Bokin'i Ezekiela 39:8 →