Bokin'i Ezekiela 4:1
Ary ianao, ry zanak’ olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin’ i Jerosalema;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 4
Cross References
1 Samuel 15:27Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin’ i Saoly ny sisin’ akanjony ka triatra.
Isaiah 20:2tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Jehovah teny an’ Isaia, zanak’ i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin’ ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin’ ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
Jeremiah 6:6Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an’ i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny.
Jeremiah 18:2Mitsangàna, ka midìna ho any amin’ ny tranon’ ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.
Jeremiah 25:15Fa izao no nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
Jeremiah 32:31Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin’ ny andro nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,