Bokin'i Ezekiela 40:39
Ary teo amin’ ny lavarangan’ ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin’ ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 40
Cross References
Leviticus 4:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ ireny:
Leviticus 4:13Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan’ ny mason’ ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao izy ka meloka,
Leviticus 5:15Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin’ ny zava-masin’ i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masìna, ho fanati-panonerana.
Leviticus 6:6Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin’ ny alitara ka tsy havela ho faty.
Leviticus 7:2Eo amin’ izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.
Isaiah 53:10Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.