Bokin'i Ezekiela 41:16
ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin’ izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin’ ny tany ka hatramin’ ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 41
Cross References
1 Kings 6:4Ary ny varavarankelin’ ny trano nataony makarakara tsy mivoha.
2 Chronicles 3:5Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.
Ezekiel 40:16Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin’ ny trano fiambenana, na amin’ ny tongo-bato ao anatin’ ny vavahady; ary toy izany koa amin’ ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin’ ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin’ ny hazo rofia avokoa.
Ezekiel 41:25Ary nisy sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia natao teo amin’ ny varavaran’ ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin’ ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan’ ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.
Haggai 1:4Moa andro tokony hitoeran’ ny tenanareo ao amin’ ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?