Bokin'i Ezekiela 41:22
Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masìna dia nisy lela-varavarana roa.
Read all of Bokin'i Ezekiela 41
Cross References
Exodus 25:28Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin’ ireo no hilanjana ny latabatra.
Exodus 30:8ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.
1 Kings 6:20Ary teo anoloan’ ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara.
1 Kings 7:48Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin’ ny tranon’ i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran’ ny mofo aseho,
Proverbs 9:2Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
Ezekiel 23:41ary nipetrahanao tamin’ ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.