Bokin'i Ezekiela 45:1
Ary rehefa zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia anjara masìna amin’ ny tany; ny lavany dia indimy arivo sy roa alin’ ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masìna any amin’ ny fari-taniny rehetra manodidina izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 45
Cross References
Numbers 34:13Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian’ i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
Joshua 14:1Ary izao no nolovan’ ny Zanak’ Isiraely teo amin’ ny tany Kanana, izay nampandovain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholon’ ny firenen’ i Zanak’ Isiraely;
Psalms 16:5Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
Ezekiel 45:2Ary io dia hanalana efa-joro sotera ho tany masìna, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.
Ezekiel 47:22Ary amin’ ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak’ Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin’ ny firenen’ Isiraely izy.
Ezekiel 48:29Izany no tany hozarainareo amin’ ny filokana ho an’ ny firenen’ Isiraely ho lovany, ary izany no ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.