Bokin'i Ezekiela 47:18
Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan’ i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin’ ny Isiraely dia Jordana; hatramin’ ny fari-tany ka hatreo amoron’ ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 47
Cross References
Genesis 31:23Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada.
Numbers 32:1Ary nanana omby aman’ ondry be indrindra ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry io,
Job 40:23Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin’ ny vavany aza.