Bokin'i Ezekiela 6:9
Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin’ ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 6
Cross References
Numbers 15:39Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’ i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
Deuteronomy 30:1Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ ny firenena rehetra izay androahan’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao,
Job 42:6Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho.
Psalms 137:1Teo amoron’ ny onin’ i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an’ i Ziona.
Isaiah 43:24Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin’ ny saboran’ ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin’ ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin’ ny helokao.
Isaiah 64:6Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.