Bokin'i Ezekiela 7:20
Fa ny firàvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 7
Cross References
Judges 8:27Dia nataon’ i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin’ i Gideona sy ny ankohonany izany.
2 Kings 21:7Ary ny sarin’ i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin’ ny trano nolazain’ i Jehovah tamin’ i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin’ ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
1 Chronicles 29:1Ary hoy Davida mpanjaka tamin’ ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin’ Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an’ olona, fa ho an’ i Jehovah Andriamanitra.
2 Chronicles 3:1Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’ i Jehovah tamin’ i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin’ ny fitoerana nofidin’ i Davida teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
2 Chronicles 36:14Ary ny lehibe rehetra tamin’ ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny jentilisa ka nandoto ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
Psalms 48:2Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masìna.