Bokin'i Ezekiela 7:4
Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Fa hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy!
Read all of Bokin'i Ezekiela 7
Cross References
Jeremiah 16:18Alohan’ izany anefa dia hovaliako avy sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko, dia ny namenoany ny lovako tamin’ ireo fatin’ ny sampiny sy fahavetavetany ireo.
Ezekiel 5:11eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masìna tamin’ ny zava-dratsinao rehetra sy tamin’ ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
Ezekiel 6:14Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin’ ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr’ i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Ezekiel 7:27Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan’ ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.
Ezekiel 9:10Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.
Ezekiel 12:20Dia ho rava ny tanàna onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.