Bokin'i Ezekiela 8:2
Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin’ afo; hatramin’ ny valahany no ho midìna dia afo; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 8
Cross References
Ezekiel 1:4Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin’ ny afo dia nisy toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.
Ezekiel 1:27Ary nahita toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin’ ny afo manodidina azy; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra ka hatramin’ ny valahany no ho midìna dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.
Daniel 7:9Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
Revelation 1:14Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;