The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezra › Bokin'i Ezra 1 › Bokin'i Ezra 1:4

Bokin'i Ezra 1:4

Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin’ izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin’ ny fanati-tsitrapo ho an’ ny tranon’ Andriamanitra, izay any Jerosalema.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And whosoever remaineth in any place where he sojourneth, let the men of his place help him with silver, and with gold, and with goods, and with beasts, beside the freewill offering for the house of God that is in Jerusalem.

In Context

3Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.

5Dia niainga ny lohan’ ny firenen’ i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’ Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.

Read all of Bokin'i Ezra 1

Cross References

1 Chronicles 29:9Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan’ ireo, fa tamin’ ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an’ i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.

2 Chronicles 31:14Ary Kore Levita, zanak’ i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian’ ny fanati-tsitrapo ho an’ Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah sy ny zava-masìna indrindra.

Ezra 7:16ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran’ ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin’ ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin’ ny sitrapo hanaovany ny tranon’ Andriamaniny, izay any Jerosalema.

Ecclesiastes 4:9Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.

Acts 24:17Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ ny fireneko.

3 John 1:6izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan’ ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin’ Andriamanitra ianao;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezra 1:4

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezra 1:3Bokin'i Ezra 1Bokin'i Ezra 1:5 →