The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezra › Bokin'i Ezra 1 › Bokin'i Ezra 1:7

Bokin'i Ezra 1:7

Dia navoak’ i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon’ i Jehovah, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon’ ireo andriamaniny.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Also Cyrus the king brought forth the vessels of the house of the LORD, which Nebuchadnezzar had brought forth out of Jerusalem, and had put them in the house of his gods;

In Context

6Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan’ ireo tamin’ ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin’ izay rehetra nateriny tamin’ ny sitrapo.

8Ary Mitredata, mpitahiry ny haren’ ny fanjakana, dia nasain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an’ i Sesbazara, lehiben’ ny firenen’ i Joda.

Read all of Bokin'i Ezra 1

Cross References

2 Kings 25:13Ary ireo andry varahina teo an-tranon’ i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon’ i Jehovah dia notorotoroin’ ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.

2 Chronicles 36:10Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin’ ny fanaka tsara tao an-tranon’ i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an’ i Zedekia rahalahin-drainy tamin’ ny Joda sy Jerosalema izy.

Ezra 5:14Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’ Andriamanitra, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin’ ny tempoly any Babylona, dia nalain’ i Kyrosy mpanjaka tao amin’ ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin’ ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;

Jeremiah 27:21eny, izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ny fanaka izay sisa ao an-tranon’ i Jehovah sy ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ato Jerosalema:

Jeremiah 28:3ka ao anatin’ ny roa taona no hampodiako ho amin’ ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah izay nalain’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, avy tamin’ ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:

Daniel 5:2Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain’ i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan’ ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin’ ny vaditsindranony.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezra 1:7

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezra 1:6Bokin'i Ezra 1Bokin'i Ezra 1:8 →