Bokin'i Ezra 10:2
Dia namaly Sekania, zanak’ i Jehiela, isan’ ny taranak’ i Elama, ka nanao tamin’ i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin’ Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ ny Isiraely ny amin’ izany zavatra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 34:12Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany.
Ezra 2:31ny zanak’ ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
Ezra 9:1Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin’ ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.
Ezra 10:26ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;
Nehemiah 7:12ny taranak’ i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
Nehemiah 13:27Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin’ Andriamanitsika amin’ ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?