Bokin'i Ezra 10:3
Koa aoka izahay hanao fanekena amin’ Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin’ Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 7:2ary rehefa voatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;
Joshua 9:6Dia nankany amin’ i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin’ ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.
2 Kings 11:17Ary Joiada nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin’ i Jehovah, mba ho olon’ i Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa.
2 Chronicles 30:12Ary ny tànan’ Andriamanitra dia napetrany tamin’ ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’ i Jehovah.
2 Chronicles 34:27satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’ Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin’ ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.
2 Chronicles 34:32sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken’ Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany