Bokin'i Ezra 10:8
ary na iza na iza no tsy tonga amin’ ny hateloana araka ny tenin’ ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin’ ny fiangonan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 6:19Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masìna ho an’ i Jehovah; hatao ao amin’ ny rakitr’ i Jehovah izany.
1 Samuel 11:7Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an’ i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an’ i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy.
Nehemiah 13:3Ary rehefa ren’ ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin’ ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.
Matthew 18:17Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
John 9:34Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin’ ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
1 Corinthians 5:13Fa ny any ivelany dia tsarain’ Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.