Bokin'i Ezra 10:9
Ary nony tamin’ ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin’ ny tranon’ Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 7:8Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ ny mpanjaka.
Jeremiah 10:10Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin’ ny fahatezerany, ka tsy tantin’ ny firenena ny fahavinirany
Jeremiah 36:22Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin’ ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.