Bokin'i Ezra 2:40
Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak’ i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin’ ny taranak’ i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The Levites: the children of Jeshua and Kadmiel, of the children of Hodaviah, seventy and four.
In Context
39ny taranak’ i Harima dia fito ambin’ ny folo sy arivo.
41Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak’ i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato.
Cross References
Ezra 8:33Ary tamin’ ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan’ i Meremota, zanak’ i Oria mpisorona, tao an-tranon’ Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak’ i Finehasa; ary teo amin’ izy roa lahy koa Jozabada, zanak’ i Jesoa, sy Noadia, zanak’ i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
Nehemiah 12:8Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian’ ny fiderana.