Bokin'i Ezra 2:63
Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masìna indrindra izy mandra-pitsangan’ izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
64Ny tontalin’ ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
Cross References
Leviticus 2:3Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
Leviticus 6:17Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Leviticus 7:16Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin’ ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson’ iny no hihinanana izay ambiny.
Leviticus 10:17Nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ ny fitoerana masìna ny fanatitra noho ny ota? fa masìna dia masìna izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah.
Leviticus 22:10Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masìna; na izay mivahiny ao amin’ ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masìna.
Leviticus 22:14Ary raha misy olona mihinana tsy nahy amin’ ny zava-masìna, dia honerany ny zava-masìna ka homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina: