Bokin'i Ezra 2:69
Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 22:14Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon’ i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.
1 Chronicles 29:7ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin’ ny tranon’ Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy.
Nehemiah 7:71Ary ny sasany tamin’ ny lohan’ ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin’ ny rakitra hanaovana ny asa.