Bokin'i Ezra 3:10
Ary rehefa naorin’ ny mpiasa ny tempolin’ i Jehovah, dia nasainy hidera an’ i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak’ i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 28:40Ary manaova akanjo lava ho an’ ny zanak’ i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
1 Samuel 22:18Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Doega: Mihodìna ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.
1 Chronicles 15:24Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ ny fiaran’ Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
1 Chronicles 16:4Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
1 Chronicles 16:42Ary tao amin’ i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’ izay mampaneno ary ny fomban’ ny zava-manenon’ Andriamanitra. Ary ny zanak’ i Jedotona no mpiandry varavarana.
1 Chronicles 25:1Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy: