Bokin'i Ezra 3:12
Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 126:6Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ ny fihobiana kosa.
Isaiah 41:14Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao.
Jeremiah 31:8Indro, hitondra azy avy any amin’ ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin’ ny faran’ ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan’ anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
Haggai 2:3Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin’ ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity?
Matthew 13:31Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain’ olona ka nafafiny tany an-tsahany;