bible.software › Bokin'i Ezra › Bokin'i Ezra 3 › Bokin'i Ezra 3:6
Bokin'i Ezra 3:6
Tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafito no niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah izy. Nefa tsy mbola natao ny fanorenan’ ny tempolin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
From the first day of the seventh month began they to offer burnt offerings unto the LORD. But the foundation of the temple of the LORD was not yet laid.
In Context
5Ary rehefa afaka izany, dia nanatitra ny fanatitra dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin’ ny voaloham-bolana sy amin’ ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin’ i Jehovah ary ny avy amin’ izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho an’ i Jehovah.
7Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin’ ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia.
Read all of Bokin'i Ezra 3
Cross References
Leviticus 23:24Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin’ ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin’ ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masìna.
Numbers 29:1Ary amin’ ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Ezra 3:6