Bokin'i Ezra 3:8
Ary tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nahatongavany tany amin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, mbamin’ ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian’ ny asa amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 4:3hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin’ ny antokony hanao raharaha ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
1 Chronicles 23:4Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ ireo dia ataoko ho tonian’ ny asa ao an-tranon’ i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
Ezra 2:2dia ny olona izay niaraka tamin’ i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan’ ny lehilahy tamin’ ny Isiraely dia izao:
Ezra 4:24Dia natsahatra tsy natao ny tranon’ Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosy, mpanjakan’ i Persia.
Ezra 10:18Ary ny hita teo amin’ ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin’ ny taranak’ i Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
Zechariah 4:9Ny tànan’ i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.