Bokin'i Ezra 4:1
Ary nony ren’ ny fahavalon’ ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin’ ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 5:4Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin’ ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin’ ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin’ ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin’ ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.
Ezra 1:11efa-jato amby dimy arivo no isan’ ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin’ i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin’ ny babo izay niverina avy tany Babylona.
Ezra 6:16Ary ny Zanak’ Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ ny fahababoana, dia nitokana io tranon’ Andriamanitra io tamin’ ny fifaliana;
Ezra 7:9Fa tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamaniny taminy.
Ezra 10:16Fa ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin’ ny lohan’ ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafolo.
Daniel 5:13Dia nampidirina teo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’ i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan’ ny babo avy amin’ ny taranak’ i Joda, izay nentin’ ny mpanjaka raiko avy tany Joda.