Bokin'i Ezra 4:13
Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an’ ny fanjakana izany any aoriana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 4:20Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin’ ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara.
Nehemiah 5:4Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka.
Psalms 119:69Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin’ ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
Matthew 17:25Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan’ i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’ iza moa no andraisan’ ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ ny zanany va, sa avy amin’ ny olon-kafa?