Bokin'i Ezra 4:2
dia nanatona an’ i Zerobabela sy ny lohan’ ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an’ Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin’ ny andron’ i Esara-hadona, mpanjakan’ i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 17:24Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ ny tanànan’ i Samaria nisolo ny Zanak’ Isiraely; dia nahazo an’ i Samaria ireny ka nitoetra teny amin’ ny tanànany.
2 Kings 17:41Ka dia natahotra an’ i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin’ ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon’ ny razany ihany no nataon’ ireny mandraka androany.
Ezra 1:5Dia niainga ny lohan’ ny firenen’ i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’ Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Ezra 3:2Dia nitsangana Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran’ Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra.
Psalms 73:8Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
Isaiah 37:37Dia niainga Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.