Bokin'i Ezra 4:9
Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaïta, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaïta, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 17:24Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ ny tanànan’ i Samaria nisolo ny Zanak’ Isiraely; dia nahazo an’ i Samaria ireny ka nitoetra teny amin’ ny tanànany.
2 Kings 17:31ary ny Avita nanao an’ i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin’ ny afo ho an’ i Adrameleka Anameleka, andriamanitr’ i Sefarvaima.
Ezra 5:6Ny tenin’ ny taratasy izay nampitondrain’ i Tatenay, governoran’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ho any amin’ i Dariosy mpanjaka;
Esther 1:2dia tamin’ izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
Isaiah 21:2Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
Jeremiah 49:34Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ i Elama tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, hoe: