bible.software › Bokin'i Ezra › Bokin'i Ezra 5 › Bokin'i Ezra 5:13
Bokin'i Ezra 5:13
Fa tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon’ Andriamanitra io.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But in the first year of Cyrus the king of Babylon the same king Cyrus made a decree to build this house of God.
In Context
12Fa noho ny nampahatezeran’ ny razanay an’ Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan’ i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
14Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’ Andriamanitra, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin’ ny tempoly any Babylona, dia nalain’ i Kyrosy mpanjaka tao amin’ ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin’ ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
Read all of Bokin'i Ezra 5
Cross References
Ezra 1:3Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
Isaiah 44:28Ary milaza an’ i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin’ i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin’ ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Ezra 5:13