The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezra › Bokin'i Ezra 5 › Bokin'i Ezra 5:14

Bokin'i Ezra 5:14

Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’ Andriamanitra, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin’ ny tempoly any Babylona, dia nalain’ i Kyrosy mpanjaka tao amin’ ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin’ ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the vessels also of gold and silver of the house of God, which Nebuchadnezzar took out of the temple that was in Jerusalem, and brought them into the temple of Babylon, those did Cyrus the king take out of the temple of Babylon, and they were delivered unto one, whose name was Sheshbazzar, whom he had made governor;

In Context

13Fa tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon’ Andriamanitra io.

15ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin’ ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny tranon’ Andriamanitra hatsangana eo amin’ ilay efa niorenany ihany.

Read all of Bokin'i Ezra 5

Cross References

2 Chronicles 36:18Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon’ Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.

Ezra 5:16Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan’ ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin’ izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.

Ezra 7:27Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon’ ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.

Jeremiah 52:19Ary nentin’ ny lehiben’ ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny kapoaka na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin’ ny lehiben’ ny mpanapaka avokoa,

Haggai 1:1Tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa mpanjaka no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany tamin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:

Haggai 2:2Lazao amin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora any Joda, sy amin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin’ ny sisa amin’ ny vahoaka hoe:

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezra 5:14

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezra 5:13Bokin'i Ezra 5Bokin'i Ezra 5:15 →