Bokin'i Ezra 5:17
Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan’ ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon’ i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon’ Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon’ ny mpanjaka hambarany aminay ny amin’ izany zavatra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 4:15mba hizahana ny boky tantaran’ ny razanao; dia ho hitanao eo amin’ ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.
Ezra 6:1Ary tamin’ izany Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay nitehirizana ny rakitra tany Babylona.