The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezra › Bokin'i Ezra 5 › Bokin'i Ezra 5:2

Bokin'i Ezra 5:2

Dia nitsangana Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon’ Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’ Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Then rose up Zerubbabel the son of Shealtiel, and Jeshua the son of Jozadak, and began to build the house of God which is at Jerusalem: and with them were the prophets of God helping them.

In Context

1Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido, naminany tamin’ ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin’ ny anaran’ Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.

3Ary tamin’ izany andro izany ihany koa dia nankany amin’ ireo Tatenay, governoran’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin’ ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?

Read all of Bokin'i Ezra 5

Cross References

Ezra 1:8Ary Mitredata, mpitahiry ny haren’ ny fanjakana, dia nasain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an’ i Sesbazara, lehiben’ ny firenen’ i Joda.

Ezra 3:8Ary tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nahatongavany tany amin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, mbamin’ ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian’ ny asa amin’ ny tranon’ i Jehovah.

Haggai 1:12Ary Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka, dia nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin’ i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan’ i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan’ i Jehovah ny olona.

Haggai 2:4Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro,

Zechariah 3:1Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan’ Ilay Anjelin’ i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.

Zechariah 4:4Dia niteny tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezra 5:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezra 5:1Bokin'i Ezra 5Bokin'i Ezra 5:3 →