Bokin'i Ezra 5:8
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin’ ny tany Joda izahay ho any an-tranon’ Andriamanitra lehibe, izay atao amin’ ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin’ ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 10:17Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’ olona, na mandray kolikoly;
Ezra 1:2Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
Ezra 6:4dia vato vaventy telo an-dalana sy hazo vaovao iray an-dalana; ary aoka haloa avy amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izay lany;
Ezra 7:23Na inona na inona andidian’ Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an’ ny tranon’ Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka sy ny zanany?
Nehemiah 11:3Ary izao no ben’ ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan’ ny Joda samy nonina tao amin’ ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona.
Esther 1:22ka nampitondra taratasy izy ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.