Bokin'i Ezra 6:1
Ary tamin’ izany Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay nitehirizana ny rakitra tany Babylona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 4:15mba hizahana ny boky tantaran’ ny razanao; dia ho hitanao eo amin’ ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.
Ezra 5:17Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan’ ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon’ i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon’ Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon’ ny mpanjaka hambarany aminay ny amin’ izany zavatra izany.
Psalms 40:7Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao;
Jeremiah 36:2Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin’ izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ ny andro nilazako taminao dia hatramin’ ny andron’ i Josia ka mandraka androany.
Jeremiah 36:29Ary ny amin’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’ iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’ i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ ny biby eto?
Ezekiel 2:9Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.