Bokin'i Ezra 6:13
Ary tamin’ izany Tatenay, governora amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin’ ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain’ i Dariosy ho any aminy izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 4:23Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin’ ny namany ny taratasin’ i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin’ ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny.
Ezra 6:6Koa amin’ izany, ry Tatenay, governora any an-dafin’ ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin’ ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin’ ny ony, mihataha ianareo.
Job 5:12Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan’ ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
Ecclesiastes 8:4fa ny tenin’ ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?