Bokin'i Ezra 6:16
Ary ny Zanak’ Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ ny fahababoana, dia nitokana io tranon’ Andriamanitra io tamin’ ny fifaliana;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 12:7ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin’ izay rehetra harin’ ny tananareo, izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
1 Chronicles 9:2Ary ny mponina taloha tamin’ ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
2 Chronicles 7:5Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’ Andriamanitra.
2 Chronicles 29:30Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an’ i Jehovah tamin’ ny teny namboarin’ i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin’ ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
2 Chronicles 30:26Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin’ ny andron’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema.
Ezra 4:1Ary nony ren’ ny fahavalon’ ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin’ ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,