Bokin'i Ezra 6:20
fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an’ izay rehetra efa nody avy tamin’ ny fahababoana sy ho an’ ny mpisorona rahalahiny ary ho an’ ny tenany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 12:21Dia nampanalain’ i Mosesy ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
2 Chronicles 30:15Dia namono ny Paska izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.
2 Chronicles 35:14Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra io an’ ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak’ i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin’ ny andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an’ ny tenany sy ny mpisorona, taranak’ i Arona.
Hebrews 7:27Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’ andro tahaka ny ataon’ ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ ny tenany, dia vao noho ny an’ ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.