Bokin'i Ezra 6:5
ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy, izay nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any Babylona, dia aoka haverina ho any amin’ ny tempoly any Jerosalema indray ireo, samy ho amin’ ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao an-tranon’ Andriamanitra avokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 24:13Ary navoakan’ i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, araka izay nolazain’ i Jehovah.
2 Chronicles 36:6Ary Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin’ ny gadra varahina mba hitondra azy ho any Babylona.
2 Chronicles 36:18Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon’ Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.
Ezra 5:14Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’ Andriamanitra, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin’ ny tempoly any Babylona, dia nalain’ i Kyrosy mpanjaka tao amin’ ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin’ ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
Jeremiah 27:18Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin’ i Jehovah, dia aoka hifona amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon’ i Jehovah sy ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ato Jerosalema
Daniel 1:2Ary ny Tompo nanolotra an’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny fanaka sasany tao an-tranon’ Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin’ ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon’ andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ ny trano firaketan’ andriamaniny.