Bokin'i Ezra 7:10
Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’ i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 33:10Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao’ izy Sy fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaranao.
1 Chronicles 29:18Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon’ ny olonao mandrakizay izany fikasan’ ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;
2 Chronicles 17:8Ary nisy Levita koa niaraka tamin’ ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin’ i Elisama sy Jorama, mpisorona.
2 Chronicles 30:22Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an’ i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
Ezra 7:25Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’ Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin’ ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn’ Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Job 11:13Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,