Bokin'i Ezra 7:17
Koa amin’ izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak’ ondry mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin’ io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin’ ny alitara ao an-tranon’ Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 15:3ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry aman’ osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin’ ny sitrapo na amin’ ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah:
Numbers 15:5ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-drà, amin’ ny isan-janak’ ondry iray.
Deuteronomy 14:24Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao,
Ezra 6:12Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’ Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
John 2:14Ary hitany teo an-kianjan’ ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;