bible.software › Bokin'i Ezra › Bokin'i Ezra 7 › Bokin'i Ezra 7:24
Bokin'i Ezra 7:24
Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin’ io tranon’ Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Also we certify you, that touching any of the priests and Levites, singers, porters, Nethinims, or ministers of this house of God, it shall not be lawful to impose toll, tribute, or custom, upon them.
In Context
23Na inona na inona andidian’ Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an’ ny tranon’ Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka sy ny zanany?
25Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’ Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin’ ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn’ Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Read all of Bokin'i Ezra 7
Cross References
Genesis 47:22Ny tanin’ ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin’ i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen’ i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.
Ezra 2:36Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak’ i Jedaia, avy tamin’ ny mpianakavin’ i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
Ezra 4:20Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin’ ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Ezra 7:24