Bokin'i Ezra 7:25
Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’ Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin’ ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn’ Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:38Dia hoy Farao tamin’ ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin’ Andriamanitra ao anatiny, va isika?
Exodus 18:21Ary mizaha eo amin’ ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’ Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
Deuteronomy 16:18Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin’ ny fitsarana marina ireo.
2 Kings 17:27Ary ny mpanjakan’ i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin’ ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin’ ny Andriamanitry ny tany any izy.
1 Chronicles 23:4Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ ireo dia ataoko ho tonian’ ny asa ao an-tranon’ i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
2 Chronicles 19:8Ary tany Jerosalema koa no nanendren’ i Josafata ny sasany tamin’ ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Isiraely ho amin’ ny fitsaran’ i Jehovah sy ny adin’ olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin’ izay)