Bokin'i Ezra 7:27
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon’ ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 31:8Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an’ i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.
Nehemiah 2:8sy taratasy ho amin’ i Asafa, mpitandrina ny alan’ i ny mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin’ ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny mandan’ ny tanàna sy ny trano izay hitoerako. Dia nomen’ ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitro tamiko.
Nehemiah 7:5Ary nomen’ Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan’ izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
Isaiah 60:13Ny voninahitr’ i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masìna, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
2 Corinthians 8:16Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon’ i Titosy ho anareo mitovy amin’ ny ahy.
Hebrews 8:10Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;